<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>561</hymn_number>
<title>Raha maizina ny lalana FFPM561</title>
<lyrics>[V1]
 Raha maizina ny lalana
 Jehovah Tompo ô !
 Hianao no iankinana,
 Hianao no jiroko.

[V2]
 Tsy hitako izay hanjo,
 Fa takona amiko
 Ny andro sisa iainako,
 Izay nalahatrao.

[V3]
 Na mbola ela velona,
 Na maty haingana,
 Ny zarako voatendrinao,
 Tsy te-hifidy aho.

[V4]
 Fa Kristy ivelomako
 Raha mitoetra ;
 Ny faty tombondahiko
 Fodiana aminao.

[V5]
 Ny fanompoako atý,
 Tsy mahavesatra ahy ;
 Tsy maika te-hiala etý
 Raha tsy antsoinao.

[V6]
 Raha tapitra ny androko,
 Dia tsara lavitra
 Ny mody any aminao
 Hiala sasatra.

[V7]
 Ny sitrakao no sitrako,
 Jehovah Tompo ô !
 Ny teninao andrasako,
 Hianao no tokiko.</lyrics>
</song>